• LIVE FREESTYLE 2026-05-01
    May 1 2026

    FAMALIANA IREO FANONTANIANA AVY AMINAREO MPANARAKA NY PEJY RJL , LIVE FREESTYLE 01 mai 2026

    Show More Show Less
    2 hrs and 16 mins
  • LIVE FREESTYLE 2026-04-19
    Apr 19 2026

    FAMALIANA IREO FANONTANIANA AVY AMINAREO MPANARAKA NY PEJY

    1- Inona no tokony atao Raha te hitarika olona hivavaka ?

    2- Afaka miaraka vé ny ody gasy sy vavaka / kristiana sy franc-maçonnerie ?

    3- Fahotana vé ny manao fanabeazana aizana ?

    4- Ex nihilo ve ny fihariana sa nandamina zavatra efa nisy ftsn Andriamanitra ?

    5- Rehefa inona no ilaina na tsy ilaina ny fanohanana pasteur ?

    6- Nanao falsification ve Luther ?

    7- Lainga Masina sy lainga mahafaty

    8- Maninona ny lehilahy no mijery vehivavy sexy nefa rehefa vadiny dia tsy avelany ?

    9- Inona Ilay hoe manala na manampy teny amin'ny Soratra Masina ?

    10- Inona no tokony atao fa tsy mandry ny saiko amin'ny fahafatesan'ny vady amanjanako ?

    11- Tanjona vé n fanambadiana ?

    12- Inona no tena atao hoe mpiandry ? Iza ? Inona no conditions ?

    13- Diso ve raha mampiandry fiantson' Andriamanitra fa hanangona moyens aloha ?

    14- Inona no mahatonga ny olona mahatsiaro olona efa maty amin'ny zavatra mitovy foana ?

    15- Tsy maintsy maty ve Jesosy vao misy famelankeloka ?

    16- Isika génération taloha vé tokony hahay mampiasa IA ?

    17- Ny fjkm sy flm ve miteny am fiteny tsy fantatra rehefa Mivavaka sa Fiangonana zandriny ihany no manao zany ?

    18- Nahoana no miadana n ratsy fanahy fa ny manao n tsara mijaly ?

    19- Tsy maintsy mandoa vola hono any ampengonana rehefa te hahazo Fitahiana ?

    20- Ny mpiandry ondry hono mitondra tehina hikapohana ny ondry mivily mila faizana ? Izay no anton'ilay manasazy ny olona tsy afaka handray

    21- Inona no atao rehefa any andanitra ?

    Show More Show Less
    1 hr and 59 mins
  • [MD] NY "DIVORCE"
    Aug 25 2025

    Rediffusion CHRONIQUE DU MIDI TIK TOK du 25 Août 2025 mikasika ny DIVORCE.

    Show More Show Less
    1 hr and 30 mins
  • [HP] NY TOERAN'NY TEOLOJIANA NA NY FIVAVAHANA MANOLOANA NY RAHARAHAM PIRENENA
    Jul 4 2025

    Averimberin'ny olona matetika foana ny hoe: ny TEOLOJIANA na PASTEUR na MPITANDRINA dia eny amin'ny pilopitra no asany fa tsy tokony hiditra amin'ny raharaham-pirenena. Lazaina hoe ny ARAM-PANAHY IHANY no andraikitry ny mpitondra fivavahana fa aleo hijanona ho amin'ny Mpanao politika ny resaka politika .

    Hadinon 'ireo miteny an'izany fa ny mpitondra fivavahana dia olom-pirenena, miaina anaty fiaraha monina sy firenena fa tsy hoe mitsingevana na miaina eny amin'ny habakabaka. Sahala izany koa ireo kristiana izay milaza fa ny paradisa sy lanitra no katsahiny fa tsy ny fiainana ety amin'izao tontolo izao ka dia tsy miraharaha izay resaka politika sy eto antany hono fa ny any andanitra ihany. Lasa tsy mipeha-tany intsony ny tongotra fa maniditsidina eny amin'ny rahona miandry zany paradisa izany . Tsy mahagaga raha ataon'ny Mpanao politika mifandimby fitaovana foana ny fivavahana satria hain'izy ireo tsara Ramalagasy sy ny fitiavana miangona sy manao amen amin'izay mahafinaritra ny sofiny.

    Ny teolojian'i BONHOEFFER manoloana ny fiainampirenena no karazana boussole hitondrako ny reflexion anio, fa TSY MAINTSY MI S'IMPLIQUER AMIN'NY RAHARAHAM-PIRENENA NY TEOLOJIANA, NY KRISTIANA fa tsy hoe TOKONY na hoe MAHAZO fa tena TSY MAINTSY.

    Show More Show Less
    1 hr and 43 mins
  • [CA] DE L'ENFANT ROI À L'ENFANT DIEU
    May 30 2025

    Tsy misy tsy mikaikaika amin'izao fotoana izao ny ray amandreny manoloana ny fanabeazany ny zanaka.

    Mivadika ny globy ankehitriny fa marobe ny raiamandreny lasa baikon-janaka sy matahotra mafy ny zanany. Ilay zaza chouchouté mpanjaka kely no indro mivadika ho ENFANT DIEU (tsy refesin-mandidy).

    Tandremo fa tsy mahasoa na ho anareo raiamandreny ary indrindra indrindra ho an'ny zanakareo ny ENFANT DIEU.

    Show More Show Less
    1 hr and 53 mins
  • [CA] ANDRIAMANITRY MOSESY sy ANDRIAMANITRY SPINOZA
    May 2 2025

    Niniana nafangaro foana hatrizay ny hoe : ireo Religions Monthéistes ( silamo, judaites, ary kritsiana). Noterena natao ihany koa ny atao hoe : ASSIMILATION hoe finoana Judéo Christianisme. Hany ka ny raisonnement de base mihitsy no nentina nanaovana ny analyse phénoménologique ny finoana kristiana ni -identifiena amin'ireo religions roa monotéhistes voalaza etsy ambony (silamo, judaiste).

    Hany ka tsy mahagaga raha DISO tanteraka ny fahalalana handraisana ny concept hoe : DIEU amin'ny kristiana raha mitaha amin'ireo finoana hafa ireo.

    Koa dia erreur fondamentale ny hitarafana ny concept DIEU kristiana miainga avy amin'ny fijerin'ireo finoana monothesite (izay nokianin'i Spinoza)

    Show More Show Less
    1 hr and 51 mins
  • [HP] "EFFICACE" ianao "APPRÉCIÉ (mamy hoditra na mahafinaritra ny olona fotsiny)" eo anivon'ny FIARAHA-MONINA, FIRENENA misy anao ?
    Apr 4 2025

    Ny mpino dia lazain'ny Soratra Masina ho FAHAZAVANA sy FANASINA. Io fahazavana io anefa manelingelina satria mampibaribary zavatra maro, nefa koa manampy ny olona hahita tsara ny lalan kombany. Ity fampianarana anio ity dia hampisongadina bebe kokoa ny paradoxe hiainan'ireo izay tena FAHAZAVANA.

    Tonga amin'ilay fitenenana hoe "Ils sont à la fois détestés mais nécessaires".

    Koa eo indrindra no sarotra amin'ny safidy eo amin'ny mpino eny na tsy mpino koa aza, ka :

    - Na ianao "apprécié" (tian'ny olona sy mamy hoditra fotsiny fa tsy mitondra fanovana lalimpaka eo amin'ny FOTOMPISAINAN'NY FIARAHAMONINA akory ny fisianao ary tsy misy impact eo amin'ny fiaraha monina ny ataonao fa mijanona amin'ny hoe TIANY FOTSINY sy MAHAFINARITRA azy dia zay

    - Na ianao "detesté" fa misy impact na manazava ny zones d'ombres rehetra. Ny efficacité mantsy dia manambara ny marina sy manazava ny tokony ho fantatra saingy mazana dia tsy tian'ny olona henoina fa manelingelina azy donc normal ianao ho halan'ny olona saingy any afara anefa rehefa tena tojo situation tsy azo hiodivirana izy dia ampiasainy ihany iny amin'izay fotoana izay satria tsapany na dia nodiany fanina fotsiny aza fa iny ihany no mety sy efficace.

    Show More Show Less
    1 hr and 55 mins
  • [CA] LE TRIO DU MAL (le MAL, le mal, le Malin)
    Mar 21 2025

    Avy aiza ny RATSY (Le Mal) ?

    Iza no nahatonga ny faharatsiana (le mal) ?

    Ary ao anatin'izany mahay manararaotra Ilay Ratsy (le Malin).

    Ireo zavatra telo ireo mifangaro sy mifangojo amintsika ka mahatonga ilay fanontaniana miverimberina foana hoe "Raha nisy Andriamanitra maninona no misy ny ratsy?"

    Ndao ho resahana ny fifandraisan'ireo sy ny fahasamihafany.

    Show More Show Less
    1 hr and 46 mins